You are here: home > Vetso

Ho Noely tokoa - JoharyJ

Azo vakiana?

Efa ao am-ponay
Ianao hatrizay
Saingy mila ampatsiahivinao foana aho

Hoe ny fitiavanao
Izay tsy mba mandao
Fa mitoetra ho tena fiadanana

Tsy ho fahatsiarovana fotsiny io
Fa ho tena fiainana mba ho fanitsiana

Aoka isan’andro aho hankalaza Anao
Hanolotra izay tena sarobidy

Indro aho ankehitriny
Hiovà tsy ho toy ny fahiny
Hankalaza hatrany ny fahamasinanao

Ho fo mpanasoa
Ho Noely tokoa
Hanjakan’ilay famindrampo

Sokajy : Fiderana, Fitiavana

Hevitra mandeha

katrynah (11/12/2019 14:30:02)

Marna zan eee

Mombamomba

Mpanoratra : JoharyJ


Nampiditra : zemjos
Daty : 11/12/2019
Mpamangy : 592
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

IZAHO TSY HOE POETA
Tononkalo serasera