You are here: home > Vetso

IZAHO TSY HOE POETA - JoharyJ

Azo vakiana?

Izaho tsy hoe POETA
Toy izay lazainareo
fa taon-trano vita feta
izay efa rakitry ny ela
nolavaiko fahazaza
k'izay nahoriko avy teo
dia toa nigaganao avy eo

tsy anio fa efa Ntaolo
no tsy navelako hangina
ny ahy io lazaiko anao
nambolena fa tsy novidiana

tsia hoy aho, fa miala tsiny
hoan'izay voatifitr'iny

fa maka tahaka toy ny Tana
aiza moa no tsy hiisatra
ny teninao tsy homenao bahana
toy ireo tsy manampahafahana

ity no fanafody tsotra omeko anao mba ho fanafana
eto an-tanindrazantsika ihany, no tena misy ilay fakany
kolokoloy sy hatsarao, ireo zanakao taranakao
f'ireo ihany no ahitsy, f'ireo no be sady vitsy
hamokatra hirobaroba, hampandroso ara-talenta
ka tsy ho mpividy intsony isika, fa ho mpivarotra masiaka.


Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : JoharyJ


Nampiditra : zemjos
Daty : 10/10/2013
Mpamangy : 761
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ho Noely tokoa
Tononkalo serasera