Tononkalo serasera - JoharyJ
Azo vakiana?
Aiza hoy aho ankehitriny
ny soatoavin-dRazantsika
toa tsindrin'ireo vahiny
very anjavon'angatsiaka
soa hoy aho fa tsisy afera
ny fanoratana amin' ity
TONONKALO SERASERA
natao hoan'ny Mpankafy
Hafatra ihany no apetrako
fohazo ny Fanahy maha olona
ny ahy lahy รด! tsy ho avelako
tsy ekeko hivadika ny lelako.
Entano ny talentanao
f'aza avela hatoritory
tonony ho kalo sy serao
soraty eto ho lazanao
Sokajy :
Aingam-panahy
Mombamomba
Mpanoratra : JoharyJ

Nampiditra : zemjos
Daty : 10/10/2013
Mpamangy : 750
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ho Noely tokoaIZAHO TSY HOE POETA