Aok'izay! (Josie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka izay!
avelao aho andeha
hanadino anao,
Ampy izay!
ireo natao taloha
ho fafako avokoa,

Tsy hanantena anao intsony aho
Fa hitady hafa vaovao!
Koa avelao re ny tanako
Avelao amin'izay ny fitiavako.

Aoka izay!
leo ny miandry anao aho
f'izay aho vao fay
Ampy izay!
ilay fitiavako omeko
olon-kafa indray!

Aok'izay ireo toky fitakao!
Aok'izay tsy iandry anao intsony aho.
--------
Rohy:
1171 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 02/03/2009 19:41)
kayyy :-) gravy b
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Josie
Nampiditra : princesseN
Daty : 02/03/2009 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01