Mba tiako (Josie)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba tiako ho fantatrao
izay rehetra am-poko ao
tsy alahelo akory sanatria
fa emboka fitia
atolotro ho anao

Mba tiako ho renao
izao antsoko izao
fa mitempo ho anao
ilay fo anatiko
ka atolotro ho anao

Mba tiako ho itanao
izao soratro izao
raha mba mety re ianao
raiso ka aza lavina
fa atolotro ho anao

Mba tiako ho tsapanao
fa ilay fitiavako ao
dia voatahiriko hatrizao
voatomboky ny anaranao
satria hatolotro ho anao!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1084 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 25/03/2009 18:38)
Mankasitraka, tiako ny tononkalonao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Josie
Nampiditra : princesseN
Daty : 25/03/2009 16:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166