alahelo an'i Nambinina (Kabiba)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adisoana ve ny ahy
Raha nilaza fa tsy sahy
Nitory ilay fitia
Adisoana ve sa tsia

Tsy aiko intsony izay atao
Ka mila tena hankalao
Ity fiainana eto an-tany
Izay tsy ahitako ny mamy

Ny fanafodiny,dia izao ihany
Dia ny eo kaikiny hatrany
Ka na ho mora na ho sarotra
Rehefa eo aho,mahay miharitra
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/kabiba/alahelo-ani-nambinina
Sokajy : Fitiavana
1000 0
Hevitra mandeha
lapino ( 26/02/2006 11:18)
... fa i Kabiba no tsy nambinina k'ty!
Izao izany no amin'ny antsoin'i Rado hoe: "Ny tia fa tsy miteny no tena tia tokoa"!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kabiba
Nampiditra : Rakotoarinivo
Daty : 23/02/2006 14:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1537