Nambinina ny iatiavako anao ve? (Kabiba)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny endrikao mamiratra
Ilay mistiky iny foana
No mahatonga ahy hihiratra
Toy ny masoandro lohataona

Ny volonao mifatotra
Alefanao ao aoriana
Mahatongatsika hifamatotra
Ka mbola hiaona any aoriana

Ny oronao tsara voatra
No mahatonga ilay fitiavako
te hisisika hitroatra
Satria babonao aho rahavako

Ny nifinao mitsiky
Manazava ny endrikao
No manala indray ny kivy
Izay efa ao anatiko ao

Ny toetranao tsy misy manana
hafa indrindra @ olona
No tena itiavako anao
Ka mahatonga ahy hitolona

Tsy moramora anefa izany
Satria sarotra ny lalana
Ka raha mbola eto an-tany
Dia mbola betsaka ny sakana

Izany hoe:

Raha ataoko bango tokana
Ny aminao rehatra
Dia ianao mihitsy ilay voatokana
Omeko ilay fitiavako,fitia tsisy fetra

Nary ho an'i Nambinina
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/kabiba/nambinina-ny-iatiavako-anao-ve
Sokajy : Fitiavana
948 0
Hevitra mandeha
Rakotoarinivo ( 23/02/2006 12:06)
Tiko i Nambinina ny andro nanomezako azy io tononkalo io dia t@ 22/02/2006 niaraka izahay t@zay tsy mety adinoko ireo andro niarahanay tsy afaka ato antsaiko ny endriny,tsara izy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kabiba
Nampiditra : Rakotoarinivo
Daty : 23/02/2006 11:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.3516