Marary za Nambinina a (Kabiba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo amin'izao ora izao
No mitoetra ao anatiko ao
Fa tsy ho itako,ho lavitra ahy
Ilay endrikao,ny vatana,fanahy

Ny foko anefa mbola tia
Sy maka mamy anao foana
Na vetivety na ho doria
Ny fitiavako tsy ho foana

Mandra-piverenanao any
Dia sento lava ny andro aty
Faingana re hanala izany
Fa mafy loatra,ka mankahia

Marary loatra izany foko
Manoratra izao vetso izao
Tsy ho zaka intsony ny toloko
Raha toa ka tsy eo anilanao

Ka ra ho avy ianao dia faingana
Ary aza ilaozana milalao
Fa ra ela loatra mampisaina
Ny andro hiverenanao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1142 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kabiba
Nampiditra : Rakotoarinivo
Daty : 23/02/2006 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138