AIZA IANAO...? (KABOANTA Le-Hendr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aiza ianao ry fahafahana
anjara izay sahaza
iainanay ankalalahana?
Fa tserona amin-gadrà
no hany manalokay
rehefa iny ka injay,
mitady anao eny andàlana...

Aiza hoy aho, ny fahaleovantena
anjara fahafahana
nanaovan-dray'-dreny sorona?
No hany fahatanjahana,
mametra izay harena
fanondro ireto olona
mpanampi-pahefana...

Aiza, aiza ianao ry fandrosoana
anjara fahaleovantena
hampamiratra ny nosy
izay miheva ambony harena?
No hany re-ampita,
ny mpitondranao mandondona,
mikolasy, mandrotsirotsy
vahiny ho mpandova...

2016
--------
Rohy:
Sokajy : Embona
126 1
Mpakafy: Kaboanta
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KABOANTA Le-Hendr
Nampiditra : Kaboanta
Daty : 01/02/2024 10:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144