VAZIMBA HOE (KABOANTA Le-Hendr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tarazona vazimba...
Ilay olona tsy ambo fa iva,
sampona, toa biby, lavalava volo;
Mampatahotra, mampihorohoro
rajako kely fisa-doha mari-tampona,
toa tsy vatana, fa fanahy mamoa-tsampona
Eny anelakela-bato, eny amoromoron-drano,
manadala ny saina, manafotsy izay tsy mamo
Matoatoa, fambara laza antambo
Vazimba maty, fivavak'ireo tsy manan-kambo ?

Tsia!
Ny vazimba ry zareo, aoka hazava tsara
fa mponina taloha teto madagasikara,
gasy fohifohy, mioditra zarazara,
olon'ny fahendrena, olon'ny tantara
olon'ny fahalalana, mana-tsaina lalina
olon'ny fihavanana, mpikatsa-java marina ......

Ny vazimba ry zareo, ataovy an-tsaina:
raha hendrika sy bika no lazaina
tena ananany, dia ananany,
Fa indrisy! ny taranany,
mihalefy, milefy
fa ny vahiny iretsy
no nanova ny anarany
ka voafefy ny tananany

Ny taranaka vazimba, any maintirano
mankeny ianao, raha te-hahita fa tsy nofy na angano
ny fisian'ny vazimba
Ka aoka ianao tsy hanimbazimba,
ny fototra niavina
Fa ny razantsika....?
VAZIMBA


27/12/15
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
117 1
Mpakafy: Kaboanta
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KABOANTA Le-Hendr
Nampiditra : Kaboanta
Daty : 01/02/2024 11:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138