Ny alina - Kally (Ikala)
Azo vakiana?
Toa taroako ho nofy ihany!
Izao tontolo retra izao;
Ho mamikoinona ny tany!
Raha tsy teo tokoa ianao?
Ny endrikiny zavabohary!
Samy zava-poana ihany
Ho mamiko toy inona àry
Raha ianao no miafina any?
Ny taratra masoandro tiako ;
Aminao no fahazavany;
Ny tara-bolana ifaliko;
Ny fenomanana no any;
Ka ny alim-pahavatra ;
Mampitebiteby fo;
Raha enao no eo mitaratra ;
Misinda hoazy izay manjo
Ny efotriny tany maina
To nga saham-bonikazo;
Mapitony ireo taraina ;
Izay inoako tsy halazo ;
Hoparadisako ny tany;
Hzavan'ny tsikinao;
Ary averiko eto ihany;
Tiko loatra raha enao;
Notiaviko voalohany
Fitonian'ny fisainako;
Ka aminao no iatombohany ;
Sy iafaran'ny fiainako
Katsaroako ho nofy ihany ;
Izao tontolo retra izao;
Homamiko inona nytany;
Raha tsy teo tokoa ianao?
"Ny alina"
Hevitra mandeha
fiaritiana (05/11/2005 11:55:59)
marina ny voalazanao! tsara be! isa 5
kally (06/11/2005 10:06:04)
Mombamomba
Mpanoratra : Kally (Ikala)
Nampiditra : kaiahDaty : 02/11/2005
Mpamangy : 2596
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Nambinina sy Naryisika roa
ITY FAHANTRAKO
TSINIKO VE?
ny
DERNIER SOUPIRE
NY FOKO
PARCE QUE TU ES VENU
Ilay fitiavako
rafitiavana