NY FOKO - Kally (Ikala)
Azo vakiana?
Ny foko,toa matory
Irina tsy hifoha intsony
Mba tsy hikomy
Nofefena tao amin'ny tery
Ka nitroatra tamin-kery
Naratra ka nitera-pery
Nofofohana tamin'ny vato
Nodorana tamin'ny afo
Rotidrotika malazo
Norarana tsy hivazo
Kanefa ny foko mbola mitempo
Na dia ao anaty sentosento
Niaritra fijaliana nampahia
Satria ny foko tena tia
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Kally (Ikala)
Nampiditra : veroniandoDaty : 05/12/2005
Mpamangy : 1972
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Nambinina sy Naryisika roa
ITY FAHANTRAKO
TSINIKO VE?
ny
DERNIER SOUPIRE
PARCE QUE TU ES VENU
Ilay fitiavako
rafitiavana
Ny alina