Aleo izy.. - kanto sarobidy
Azo vakiana?
Aleo ho izy ihany,no hanjera izay najoro
Izay nanorenany aoka izy no hampikoro
Fa aza ianao mikitika ny tiany sy napetrany
Fa azy ny tontolony ny didi sy ireo fetrany..
Aza akory ianao,misaina ny anadino
Na mafy sy mafaitra ary intsony koa tsy hino
Fa izy no nametra ny ao am-ponao tsy ho any intsony
Ka aleo hijanona eo,hiandry izay an-tsitram-pony..
Aza misaina akory,ialoh' ianao handrava
Ny zavatra heverina mirindra sy mazava
Ka aleo izy mihintsy no handidy hatram-farany
Fa mbola izy no manjaka nanome anao ny anarany..
ka efiho na dia mangidy...
satria hono " Kanto Sarobidy..."
Mombamomba
Mpanoratra : kanto sarobidy

Nampiditra : kanto01
Daty : 20/09/2017
Mpamangy : 758
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
N'ovina ka n'ovinadia tsMivavaka ho azy..
raha mba fantany..
i..Neny
Anatr'i dada
Nofinofy
Fitia
Tsiaro
Henjim-pitia
Ny fitiavana...