izay ratrako... (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho ampafantariko azy,izay rehetra ratrako
Tsy holazaiko akory ireo teny izay tsy zaka
Fa entiko eny, na mavesatra ato an-tratrako
Ilay teny naloakan'ny vavanao nandratra

Iniako tsy ho tsaroina ireo endrikao masika
Rehefa injay nilaza ny fiafaram-pitia
Niniako nohadinoina ihany koa ireo sariaka
Nasehonao ny masoko nisarika ho doria

Hiezaka aho hitodika hitsinjo indray ny hoaviko
Hitraka tsy ho kivy raha sendra alahelo
Hitsika n'aiza n'aiza ny lalana ho diaviko
Na orana mitraho na aizim-be mpamerovero

Hijery indray ny ho tohin'izay mety hiafarana
Hivohy ny onjam-piainana sy ny setrasetrany
Mandram-piavy indray ilay fotoam-pitsarana
Ilay hany tokan-teny izay tsy hanam-petrany
--------
Rohy:
978 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 05/11/2017 19:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113