Tsiaro manadala (kanto sarobidy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy tsiaro tsy hay adino fa mifikitra ato anaty
Tadindon'ireo ratra,tsy mety levona ao am-po
Mikiky sy mandrava ny ati fo mila tsy ho tanty
Fa maika koa mitsiry sy mamoha tsy mety ho lo

Misy tsiaro tsy hay hakisika ny aminy rehetra
Mandindona anoloana,tsy manaiky ny ho lembenana
Tsiaro tsy hay tohaina mitsihy mahery setra
Fa misisika tsy laitra ato anaty mba honenana

Misy tsiaro manoloana izay efa hodin-tsy hita
Fa maika ko manjelatra mamonjy ny hazavana
Miboika loharano manambara fa tsy ho ritra
Ny fitiavana ao am-pony mampiseho ny fahazazana..
--------
Rohy:
930 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : kanto sarobidy
Nampiditra : kanto01
Daty : 09/09/2017 06:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147