Aloka (Kintan'ny Natiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tandindom-pitiavanao azy no hany nitiavanao ahy
Tsy nisy fitia tena izy fa kisary no betsaka tao
Izaho nanantena sy niandry, natoky ho silam-panahy
Fa ianao tsy naharitra akory , nilaza sahady fa lao

Nanorina mandam-pitia aho , nanao fefiloha ho fiarovana
Fa tso-drivo-malefaka ihany dia ampy nandrava izany
Vao nofafafafazan ‘ny erika, avy hatrany dia efa nirodana
Lasa mangidy tsy laitra ilay mba noheveriko ho mamy

Na tia sy tsy mbola mahafoy aza tsy maintsy manaiky ny didy
Manaraka am-pahendrena ny lamina efa natao
Te hitroatra ny foko kanefa indrisy tsy manan tsafidy
Dia miaritra lava eny foana , misotro ny ranon talaho

Atao ahoana fa ALOKA ihany e, miserana mety ho voafafa
Tsy afak’hifikitra akory , misitaka rehefa tsy ilaina
Ny hany mba sisa azo atao dia mitsabo mangina ny ratra sy
Mitsiky ao anaty alahelo , mampahery ny fo sy ny saina

Mafy ny miatrika izany a, saingy ekena tsy satry
Fitiavana tsy mifamaly hono , fasan’ny fo ao anaty
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
72 2
Mpakafy: Fenosoafi - Edenasafira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kintan'ny Natiora
Nampiditra : Edenasafira
Daty : 17/03/2024 07:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147