Veloma (Kintan'ny Natiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma ry ilay saika hiantahantana
Veloma masina raha toa ka tsy hitoetra
Nataoko ho vato mba azo hiantefana
Kinanjo nandratra fa tsy mba nitsetra

Fa ny eto tsarovy tsy hanozona akory
Ary koa sanatria tsy handray ho fahavalo
Izay vita dia sitraka enti - matory
Ny ambiny kosa dia nofy mandalo

Ny fo mantsy na tsy nisambatra firy
Dia tsy afaka hiazona izay tsy tamana
Satria manan’elatra izany tsiriry
Ka lasa nisosa sy niova fitàna

Raha nahita ny akanga nambabo ry Lala
Dia aza manahy fa omeko tso drano
Soavadia rehefa vonona hiala
Fa hiandry eto foana ny akoho tama-trano

Hay moa izaho no voafitaka hatrany
Sy jamban’ireny fitia sarisary
Nataoko ho tantely hivimbina mamy
kinanjo tangena misalotra fary

kanefa sakaiza tsy tsiny na fondro
Aoka iny hivalona raha tsy tontosa
Fa ny eto dia hiandry ny anjara voatondro
Sy izay tena Malala hisambarana kosa
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
81 1
Mpakafy: Herilantosoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kintan'ny Natiora
Nampiditra : Edenasafira
Daty : 12/03/2024 04:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0674