Mba ampaherezo (Kintan'ny Natiora)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tampon-kavoana tsy ilaozan’akanga
Ry bozaka lava fierem-borokely
Ry ala fonenan’ireo voromanga
Mba ampaherezo ny fo izay voavely

Ry rano madio izay misosa any an’ony
Ry rivo-malefa-pitsoka any ho any
Ry vola-mazava mitoetra eny ambony
Mba ampaherezo ny fo mitomany

Ry masoandro mody madiva hisoka
Ry rahona maloka mamelovelo
Ry kotro-midona fa tsy hita popoka
Mba ampaherezo ny fo malahelo

Ry avana izay maroloko sy kanto
Ry lala-mahitsy falehan’ny maro
Ry onja mitopa sy milantolanto
Mba ampaherezo ny fon’ny mimalo

Ry kinta-mamiratra tsy tambo hisaina
Ry zavona fotsy manoatra ny voaly
Ry felana manitra eny anjaridaina
Mba ampaherezo ny fon’ ny mijaly

Ry ora-mikija hamonto ny tany
Ry ando tsy saraky ny andro maraina
R'ilay Saha Edena fonenana mamy
Mba ampaherezo ny fo mitaraina


Ry feon’anjely miredona hoby
Ry tany volena mahefa ny adidy
Ry vorona manao andiany hody
Mba ampaherezo ny fo mila ho kivy
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
768 48
Hevitra mandeha
Vetsompitia ( 28/03/2024 06:40)
Izao no tena hoe aingam-panahy
Toy ny mamaky ny tononkalon'ireo Zoky tany aloha tany mamaky azy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Kintan'ny Natiora
Nampiditra : Edenasafira
Daty : 05/03/2024 15:44
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197