Mindram-betso - Lanto
Mindram-betso sisa
Dia mahatsiarotsiaro...
Raha mba te-hikalo,
Rehefa sendrasendra lasana vinany
Te-hampitepo fo
D'indramiko ianareo :
Ireo hafalianareo
Fitiavana mivay
Afa-manantena ho avy tena iray
Dia tsaroako avy eo
F'izaho efa nandalo
Io toerana io koa
Ary tena nino.
F'izao ? mamisavisa
Sy mindram-betso sisa
Mba hampitepo fo
Sao dia mbola hifoha !
15:54
Sokajy :
Fahatsiarovana, Fiononana
Hevitra mandeha
nikopol (20/08/2004 15:44:52)
Miala any ravaomalala an!
miakitra zany filignigna zany an.....
hery (20/08/2004 18:37:33)
lanto (20/08/2004 18:58:16)
Tandremo dia tandremo ny dika vilana fa manahirana. Mazotoa daholo ny mpametraka vetso ho vakian'ny tsy manana.
nikopol> ravaomalala angah ?! hihi
hery (21/08/2004 10:53:41)
Ny an'iza no nindramina? :)
ny an'ilay mpanoratra vaovao ve hihihi ary i nikopol tokoa kay mou nanoratra?
lanto (21/08/2004 19:24:27)
Mombamomba
Mpanoratra : Lanto
Nampiditra : lantoDaty : 20/08/2004
Mpamangy : 2245
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Segondra maromaroIza ?
Ianao no izy
Io no aoka ho ahy
Tsy hitia intsony
Antsika
Mahatsiaro anao
Ho ampy ve ?
Tiana
Sampanana