Sampanana (Lanto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hitomany akory ahoSanatria koa tsy hanozona
Indrindra fa ny hoe hitalaho
Tsy hiraika, tsy hihontsona.
Tsy hisy teny iray mivaona
Fa ny foko tena tony
Izany akory tsy misaona
Na hitana lonilony.
Tsy hiova akory ny fiainako
Tsy ho banga zavatra tsy ahy
Ny zaridaina karakainako
Tsy hety hanirian-tsiahy.
Efa zatra "ady" ve ?
Sa tsy lalina ny fery ?
Manana fiarovam-be
Sa nahay nanangon-kery ?
Tsy hisy teny hahalaza.
Raha ilaina ny tso-drano
Ny fiteny iray sahaza :
"Maharena tokantrano !"
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha

hery
(
26/07/2004 02:27)
Waow, gravy zany tononkalon'i Lanto izany. Niverina ny aingam-panahy.

Oully
(
26/07/2004 10:41)
Miombon-kevitra amin'ny mpanoratra!

lanto
(
27/07/2004 10:40)
Misaotra ny mpamaky :-)
Eritreritra mbĂ´ nandalo iny ry hery a !
Eritreritra mbĂ´ nandalo iny ry hery a !