Raha mba.... (Lanto)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza avela hangaina
Aza avela ho maina
Hiandry ny tsy misy
Omeo ny tena izy
Raha mba tia anao

Fohazinao ny nofiny
Sy ny rotsirotsiny
Ny fo manavinaviny
'Lazao izay tena ho aviny
Fa mba tia anao

Mila tsy ho tanty
Mafana hatrany anaty
Ny teny mamy, safo
Mandoro toy ny afo
Mahate-hitia anao

Ny fiainany, ny fony
Ny vatany rehetra
Toa tsy tsarotsaroany
Mivoha tsy misy fetra
Te-handray anao

Omenao sangisangy
Omenao tambitamby
Dia io tokoa fa miandry
Fitia be mananamby
Fa moa ve tia ianao ?
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1808 2
Mpakafy: fafah - nikopol
Hevitra mandeha
Oully ( 30/08/2004 10:29)
Raha mba .... tia tokoa mantsy!
nikopol ( 30/08/2004 11:22)
Raha mba... za no misy manontany io fanontaniana farany io dia mety ho valiako eny "raha mba" marina daholo ireo voalazany etsy ambony. hihihi

yonikafopl ( 30/08/2004 15:48)
indrisy ry lanto, raha mba..... fantany mantsy.
bichette ( 31/08/2004 07:44)
hum hum ! (sento)
lanto ( 31/08/2004 08:19)
Aza misento loatra fa tononkalo tsy mijaly io; fa marariraim-pitiavana :) izany hoe efa fantapantatra ihany fa "eny" no valin'ilay fanontanianana farany (nikopol> satria marina ny voalaza eo ambony lolllll) fa mba miantsy sy miangoty fotsiny e! Maka toky !
Bizzz nareo !
ponita ( 30/09/2005 13:33)
tiako e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lanto
Nampiditra : lanto
Daty : 30/08/2004 09:53
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143