EMBONA 2 ('Lay fo hafa kely)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ato anaty fiara ndeha hiasa no indro fa mipoitra
Ny embon’ny lasa nototofako hangina
Fa ny rivotra mitsoaka no vao mainka mampivoitra
Ny lasana niainana, tsy mety hampanginina.

Anivon’ireto olona maro toa vonona hiasa
Ny fofonao tsy foiko, mipololotra manim-pofona
Manenika ny oroko, mamikitra tsy lasa
Manjohy lalandava, ny adiko sy tolona.

Fa fitaka ny tazana, ny endrikao mitoetra
Ny manodidina mitsiky, mampahatsiahy ny fahiny
Ny fiara izay mizotra, mampahatsiahy ilay toetran-
Tsika tsy mahatombina, mila vaniny iny.

Mahavariana ny embona, aingain’ny tsiahy
Fa na anaty fiara aza, manempotra fiaina
Resiresi-tory, voarotsirotsy tsy manahy
Mianoka ny embona sy ny lasa mba niainana
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/lay-fo-hafa-kely/embona-2
Sokajy : Fitiavana
2661 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : 'Lay fo hafa kely
Nampiditra : Rakparfait
Daty : 15/11/2013 15:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2121