IREO OLO-MALAZA - lolash
Azo vakiana?
Ingahy OUSSAMA, dia mpampihorohoro nikoizantsika,
nataony potika sy torotoro, ilay AMERIKA.
EINSTEIN dia niavaka loatra sy tena nikoaizana,
nolazaina ombieny ,sy dradradradraina ho nanam-pahaizana.
zany HITLER dia mpanavakavaka, namono jiosy,
nanao haza lambo ireo mpivavaka, nanosiosy.
BARAK OBAMA dia olona mainty, niangaran ny vintana,
ireo candidat tany Amerika / nataony nihintsana.
I PICASSO mpanao hosodoko, nalaza eran-tany,
DE VINCCI tsy azo hadinoina, tsy ambanin izany.
USAIN BOLT mpihazakazaka / faingana indrindra,
NAOMI CAMBELL tsara fijoro, sy tsara famindra.
papa MANDELA niady sy gadra / ho an ny AFRIKA,
tena niforitra nanolotena, mba hamonjy antsika.
papa JEAN PAUL nampandry tany, lehiben ny mpivavaka,
nitia ny olon-drehetr aok izany, tsy nisy an-kanavaka.
AMSTRONG dia siantifika, nankeny amin ny volana,
mopera PEDRO olona tsotra, sy mpamaha ny olana.
betsaka ireo olo-malaza / tsy ho voatanisa,
ireto eto ambany no tena voarakitra am-pontsika,
MICHAEL JACKSON zay nody mandry, mpanjakan ny pop,
ny tena malaza tambonin ireo / dia ilay zoky JESOSY.
LOLASH
Mombamomba
Mpanoratra : lolash
Nampiditra : lolashDaty : 22/09/2010
Mpamangy : 2473
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IANAO sa IZY ?ANJARA
LAMBORIDY
IZAHO sy MADAGASIKARA