IZAHO sy MADAGASIKARA (lolash)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ny tanindrazako ,
na dia lavitra tsy tazako,
antokin' ny fahombiazako,
sy itoeran' ireo havako,
ho vangiko raha hatr izay,
sy mbola itosiako indray,
GASIKARA-ko no ho ahy,
any ilay ankaninay.

Tantaraina foana amiko,
ny hakanton' ilay taniko,
tiako loatra sady mamiko,
Frantsa tsy ahy fa nohindramiko,
rehefa ela any aoriana,
mbola tsy haiko rahoviana,
hody ihany aho rahavako,
honina any antanin-drazako.

Tiako ho fantatra i IARIVO,
sy reo mponiny anarivo,
tiako koa FIANARATSOA,
mihaingo fatratra sy soa ,
tiako zany MAHAJANGA,
feno hira ,feon-dokanga,
tsy hadino TOAMASINA,
fitosian' ny ranomasina,
TOLIARY ,ANTSIRANANA,
any mantsy ireo namana.

LOLASH kely no anarako,
raha tinao ny tantarako,
dia vakio reo sanganasako,
fa ho valiako ianao rahavako.

LOLASH
--------
Rohy:
1604 1
Mpakafy: kiriah
Hevitra mandeha
kiriah ( 11/11/2010 09:17)
eny e! mbola ho hitanao ihany izy any ao ariana kely any fa aza kivy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lolash
Nampiditra : lolash
Daty : 20/09/2010 22:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144