You are here: home > Vetso

LAMBORIDY - lolash

Lamboridy izany toetra
manandevo mampitsetra
sarotra ovaina mantsy
na dia hita izao fa ratsy

lamboridy koa ny vola
fa na dia antitra efa sola
mbola mitady sy mihary
ny vola hono ZANAHARY

Lamboridy ny fitiavana
mampanadino ireo havana
hanadinoana RAY sy RENY
ventesina ombieny ombieny

lamboridy ny fiainana
maha-donto ny fisainana
tsy afa miala tsotr izao
fa ataony haza hao

soa fa nisy ny SAFIDY
varavarana tsy mihidy
mivoha lava azo hidirana
raha misy manahirana

Sokajy : ahy, fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : lolash

Nampiditra : lolash
Daty : 21/09/2010
Mpamangy : 967
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

IANAO sa IZY ?
IREO OLO-MALAZA
ANJARA
IZAHO sy MADAGASIKARA