HATRAIZA? (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatraiza re no hery,
mamatotra ny fahantrana,
tsy mety lefy velively,
ka hivadika hatsarana?
Hatraiza koa ny ngidiny,
nampivily ity safidiny,
ho ao am-bala tsy nofinidiny,
hanjary lasa fara-idiny?
Hatraiza no hisy fiaina-mamiratra,
raha tsy eo ny taratr'ilay hazavana?
hatraiza no fetran'ilay irakiraka,
raha diso fiantefa ny lalan-kombana?
Rehefa inona no hisy mpijery,
hatraiza no ho voafafa ny fery?
reo olo-manam-pahendrena,
hatraiza no hanam-pandresena?
--------
Rohy:
1035 1
Mpakafy: lova miar'shu
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 13/04/2015 11:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145