MITOVY ISIKA (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba toa anao ihany aho...
Malagasy ray sy reny,
manan-jo ny hiteny,
na izaho na ianao,
mitovy fomba amam-panao.
Mba toa anao ihany aho...
Olombelona nofo sy ra,
samy misy saina,fo,fanahy,
koa nahoana no ampijaliana,
hanaovana herisetra habibiana?
Mba toa anao ihany aho...
Miara-miaina eto an-tany,
niaraka noharian'ilay Mpahary,
na dia samihafa fihaviana,
Gasy aho fa aza ariana.
''Fa toa anao ihany aho...''
Mpanoratra:Lova miar'shu
--------
Rohy:
1155 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 12/04/2015 07:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173