SAHIRANA AHO SATRIA... (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahirana aho satria...,
ny fitafy rovidrovitra,
no hany eny an-koditra!
Sahirana aho satria...,
ny vola mba hananako,
ampy ahy ho fananako!
Sahirana aho satria...,
ireo olona mijery,
toa mamela fery,
noho 'ty za ts'isy mpahonena,
mahantra volamena!
Sahirana aho satria...,
trano bongo kely ialofana,
lamba rovitr'irakofana!
tsihy no ivelarana,
aiza re ny fitsaharana?
Sahirana aho satria...,
asa atao ivelomako,
mitampify an-tokonako!
Sahirana aho ve?
aok'hijanona amin'izao,
satria...,efa tsy anjara,
ny hananako ao afara,
mbola lavitra ny dia,
fa sahirana aho satria...
Tsy mba manan-kantenaina,
mandra-piala fofon'aina.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1518 2
Hevitra mandeha
Arofanina ( 12/04/2015 08:12)
Mitondra ny tenin'ny 80%-n'ny vahoaka malagasy ianao @ ity tononkalo ity: mankahery anao hitolona hatrany e!
lova miar'shu ( 17/04/2015 11:31)
misaotra anao nampahery
narasoa ( 18/04/2015 15:18)
misaotra fa tsara e!
Mikalofitia ( 22/04/2015 08:20)
aza kivy re ianao
fa mbola hisy ilay maraina
tsy ho sahirana ianao
tsy hisy tsony ny taraina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 12/04/2015 07:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142