VONINKAZO (Lova miar'shu)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao niandoha ianao dia lavo,
raha nitsiry indreo nalazo,
ry voninkazo malahelo,
mitahiry lay tsiambaratelo,
ry voninkazo mora mihintsana,
an'ireo ratsy vintana!
Miaina ao anaty lalana,
mety hihavao hiandalana,
hanjary ho voninkazo tafafoha,
tsy matory fa hamoa.
Rahoviana re ry voninkazo?
Hamelana ianao fa tsy halazo?
Hamerovero foana,
hibaliaka mandavan-taona?
...,ny tsikinao malefaka,
hampitraka ireo ketraka.
...,ny felanao no handravaka,
hanary ny fahantrana ho ao an-davaka?
...,ny hanitrao izay manam-petra,
hampahiratra ny manjoretra.
Fa ny hakantonao izay mambabo,
dia anarina ny lavo!
NANTENAINARIVONY Lova,Ambodihady,Ambohimanarina
--------
Rohy:
Sokajy : faniriana - fiainana
1529 2
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 17/04/2015 08:51)
Merci bcp ry namana amlé aingam-pahy mahatonga saina a!
endrika01 ( 17/04/2015 08:55)
mbola haniry foana izy ka, raha toa ka voninkazo tsara faka,
fenohasimpitia ( 17/04/2015 09:20)
Mba toroy hevtra zay ry namana isany oe :"aiza daôl n lalana mba hametrahana n sary eo @commentaire a" merci!
endrika01 ( 27/04/2015 08:22)
zah kalou tsy mahay é!anotanio ny Admin ao é!!!!hi hi hikay mou we namana fa zah kounkou!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 17/04/2015 06:51
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096