TY FIAINAKO (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy mantsy mahonena!
ity zaho raha jerena,
ilay olona mijaly,
tsy mba afaka hifaly!
efa leo ny tsy fisiana,
niharitra ny fihafiana!
Ilay olona miserana,
tsy mba manank'hianteherana,
na hariva na maraina,
sasatry ny mitaraina.
Hifandimbiasan'ny hakiviana,
alahelo sy fahoriana,
ka iza ary no hanafaka?
ity tenako solafaka!
ao anaty fahantrana,
tototry ny hajambana!
Rahoviana no ho tonga zany fiadanam-po?
ka reo sentosento dia hisinda avokoa,
asa lahy raha izany,
fa mandalo anie ny tany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - fiainana
1545 2
Hevitra mandeha
tsiorivalisoa16 ( 16/09/2016 09:40)
tsra be le izy misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 12/05/2015 06:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114