Ho anao..... (Lyandy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho ANAO izao ry vadiko no anoratako anio,
Andraisako ny penina ka Etsy MBA vakio,
Ity taratasy soratako ho anao,
Anambarako indray ny fitiavako anao....

Tamin'ny voalohany nahitako anao,
Manga ny lanitra, faly re Zao,
Foko mitempo ho anao hatr'izao
Malalako tiako, tsy afeniko anao,

Mitombo isan'andro ny fitia,
Paradisa soa ho antsika akia....
Iriko ho Doria ny dinam-pitia
Nifanolorantsika ,roso ny dia....

Teny tokana monja no soratako izao,
Malala tsy foiko, tena tiako IANAO,
Ny Alina mangina, resin-tomany,
Raha toa ianao lasa any ho any ....

Vadiko tiako tsy foiko indrindra,
Ny fitiavako anao anie ka tsy haiko afindra,
Koa vavaka tsotra no asandratro ho anao
......«Ho tahian'ilay Nahary anie ianao!»❤️
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
243 1
Mpakafy: Lyand2345
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lyandy
Nampiditra : Lyand2345
Daty : 19/06/2025 06:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125