ILAY FITIA (Lyandy)
Nantsain'i ikalamako
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Fitia,Io ilay teny renao matetika,
Mandrendrika ny fo, mahajamba ny maso koa,
Io ilay teny manadala nefa ahitana hafaliana!
Io koa ilay tsy mampahita tory, mamohafoha isan'alina,
Mampivandravandra anaty haizina,
Mampahita sary tsy hay fantarina!
Io ilay mampamoifo rehefa diso fo fiantefa,
Io ilay mampangidy nefa mampahamamy ny fiarahana!
Izay ilay Fitiavana!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaAntsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Audio Player