Malala o (Lyandy)
Nantsain'i ikalamako
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala o,voninkazo iray tsy manan-tsahala,
voninkazo iray tsy toy ny mavo adala,
fa ilay raozy mavokely, mamiratra sy soa
no indro atolotro anao ,omeko amin'ny fo !
Tiako ho tsapanao fa mahery loatra ny fitia,
izay mibaiko ny foko hiteny hoe doria,
dia ilay mandrakizay hiarahantsika roa,
anaty trano kely paradisa soa !
Midobodoboka ny foko, mientana aoka izany,
toa indraindray feno loatra ka zary lasa tomany,
te hitraotra mafy aho, te hikikika mafy hoe''tia anao loatra aho''
Babonao tanteraka aho, resinao aho !
Resinao ny fitiavako, ka indro anjakao,
fa izaho sy ianao , iray manomboka izao....
Anao izay ahy , ahy koa izay anao
fitia tsy hita fetra, mamy ka lalao !
Vao mifoha maraina aho, io ianao zao no tazako,
feno tsiky, miramirana sy izay rehetra tsy voalazako.
kanto loatra ianao ry tiana ka mandrotika fanahy,
ny tsy anilanao mampahory loatra ahy !
Malala o,
Asa ianao raha mba toa ahy mamisavisa ny androntsika,
manonofinofy izay ho endri-piainantsika,
Malala o,
Na aiza na aiza misy anao, tsarovy izao teny izao,
Fitia mandrakizay no itiavako anao !
Lyandy(14 Febroary 2025)
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaAntsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Audio Player