HO TOKAM-PO HO ANAO (M.J.F)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao rahavako
'Lay tiako sy lalaiko
Mitempo ho anao ny foko
Misento anao ry aiko

Raha ny elanelantany
Tsy haharava 'lay fitiavana
Indray andro any
Mbola hihaona isika rahavana

Ny fitiavako tsy ho ritra
Fa hitombo atrany atrany
Ho doria ny @tsika
Fa tsy hoe hatreo ihany

Matoky anao zah vadiko
Fa ho hendry tsara ianao
Ary apetrako ny voadiko
Fa tena ho TOKAM-PO ho anao

M.J.F
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1184 2
Mpakafy: Jean fidele - Mamenosoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : M.J.F
Nampiditra : Mamenosoa
Daty : 28/02/2021 13:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015