ILAY FITIAVAKO (Mahalia❤✨)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FITIAVAKOHo anao Razazavavy
No hanoratako an'izao
Fa matetika fiavy
''Ilay fitiavako anao''
Izany akory sanatria
Tsy mba hoe ''kivazivazy''
Fa te hibitsika fitia
Izay hiafara amin'ny mariazy
Fa raha izany mantsy angamba
No hoe ho tsipahinao
Dia hahavonto zoron-damba
Ny ratram-po anatiko ao
(...)
K'izany re ry Malala
No mba tiako hampita
Raha sitrakao aza misalasala
Fa ny fiodinako efa vita
Mahalia❤✨
201001(vao nanomboka nanoratra)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana