FANALAHIDY (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANALAHIDY

Lavolavo kely ianao fa saraka mpandrotsy
Dia namoimoy fo fa nilaozana mpananatra
Fongana sy ritra irony fanomezan-toky ...saingy
Mitrakà aloha,fa ny ampitso mbol'ankamantatra

Ekena hoe marary ilay tiana fa tsy anjara
Matetika tsy lefitra ireo hirifirim-pery
Fa havadiho ny pejy dia soloy izay tsy tsara...dia
Hofano koa ny saina hanaiky,fa ny olona tsy anjely

Fa na toa inona voady izay namatorana ny fo
Ny fandrava misy foana ary tsy mba kely lalana
Ka na potraka aza anio,dia izao no ataovy an-doha
Mijoro indray rahampitso,mamboly fiadanana

(...)
Dia...
Ny fanalahidy farany mihitsy aza adinoina
Zotoa ianao mivavaka,hamafiso ny finoana

Mahalia❤✨
--------
Rohy:
161 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 31/12/2023 19:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147