ITONY KALO ITONY (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ITONY KALO ITONY

Itony kalo itony
Mitoetra mandra-maty
Otrik'afo mitahiry sombin-kafanana

Itony kalo itony
Tohan'aina sady vatsy
Tobi-teny fanovozana sy rakipahalalana

Itony kalo itony
Sary miaina avy ao anaty
Ngonon'ny mpikalo eny an-tendron'ny maraina

Itony kalo itony
Dia toy ny voa izay nafafy
Rariana hioram-paka,fa tsy an-tany karakaina


Mahalia❤✨
20232004-0122
--------
Rohy:
87 3
Mpakafy: iheriarilala - Djess - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 24/08/2024 20:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1023