IZAHO SY IANAO (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO SY IANAO

Asa raha tsaroanao ilay fotoana nandrotehinao ny foko?
Tsy haiko raha tsaroanao koa ilay isika nifankatia an-tsokosoko
Dia niray tsikombakomba hifangalatra fitia
Ilay 'ndray Sabotsy hariva...tery Antsaha tery

Isika samy tia ka mora nifandrohy tamin'ny topimaso monja
Sy tsiky indray niserana,ka nampivaralila ny fitopatopan'onja
Sy ny alon-dranomasina nisangy ny morontsirantsika
Natsiro ny fitia tamin'ireny raha fintinina sy hadika

"Tojo" mpanamory koa moa ny fo ka dia jambena tsy nahita
Izay tany hasiana tongotra sy tsy azo halehantsika
Hany ka nanjohy anao hatrany Ambo...tsy ho tononina
fa manahirankirana ny vavam-piarahamonina
(...)
Tapitra voadika ireo voatondro ho fahotana sy voararan'ny lalàna
Hatramin'ny alimbavaka tsy nifantohantsika fa nanaovana adalàna
Isika eny isika no tsangambato velona nandimby an'i Eva sy Adama
Asa aloha lehiretsy fa ny fo kay rehefa tia tsy azonao raràna a

Dia...Izaho sy Ianao izany,'lay nahasahy nilokaloka sy nivoadivoady ery
Ilay tsy nahalala maty fa satry foana hatrany mba hisy anjoria
Hahafahana misitraka ny tsiron'ny ...fitia
Eny ho'aho akia(mba) mahatsiaro ve izao indry?

R'ilay fitiavana nindramiko tamin'ikala "Bidikely"
Tsy tsaroako akory ny hadisoako tamin'ireny
fa ny masaka tan-doha dia ny fitiavantsika irery
Ary tsapa tamin'ireny f'io rehefa hangalarina vao tena "mamikely"
(...)
Nivadika ny andro,nihilana ny volana ary niherina ho taona
Isika moa be loha dia samy tsisy niala fa mbola indreto foana
Manao fangalam-piery amin'ny fangalaram-pihinana
Kanefa i "Bidikely" izao any miandry kendry tehona ery an-kodimirana
...
Izaho sy Ianao nefa izao vao mainka mifamatotra sy malaina mifandao
Gejain'ny fahatsiarovana amin'ny zava-bitantsika sy ny ota izay natao
(...)

Mahalia❤✨
20230422-0429
--------
Rohy:
180 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 03/01/2024 19:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142