MISY FETRANY (Mahalia❤✨)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY FETRANY

Impiry aho moa no namafa
Ninia tsy nijery ny toetra ratsinao?
Nanamkimpy maso nikosoka ny lasa
Nanadino ny fahiny fony aho noratrainao?

Impiry koa ny saiko
No notereko tsy hitadidy
Na saika ho hafoiko hatramin'ny aiko
Fony aho nigoka ny mangidy
(Teo am-pelatananao?)

Saingy moa fanahin-java (tamin'ireny)
Dia nitia na dia tsy tiana
Nankafy na dia nampahoriana
Tsy hahita ny mazava
(Fa jamba loatra anao)
...
Nefa soa fa nisy ireny
Nampahiratra ny masoko
Nanampy ahy niady irery
Ka nahatrarako ny tanjoko
...
''Sy tena nahatsapako hoe:
Tsy ny hamafisan'ny sandry no hamaritana ny halehibe''

Mahalia❤✨
20231023
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fiainana
507 2
Fans: Nikalo - Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mahalia❤✨
Inséré par : Djess
Date : 03/01/2024 15:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118