NY MARINA...? (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)
Tsinjoko amin'ny ranty sy ny sary miparitaka
Hoe manga tena manga ny lanitrareo any
Tony sy milamina, tsy misy misaritaka
Fa kanto mahafinaritra sy lavitra tomany
(Ny aty koa tsy hambakain'izany)

Fa efa nadiodio 'lay rano izay nitàna
Nody ventiny ihany koa ny rano natsakàna
Tena afaka fatorana ny adala nogadraina
Raha tsorina ny "marina...?"
ianao tsy dia nilaina
(Fa ny foko no naditra sy sarotsarotra nanarina)

Mahalia❤✨
20231018
--------
Rohy:
166 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 03/01/2024 19:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117