SALAMON'NY FANAHIKO (Mahalia❤✨)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SALAMON'NY FANAHIKO Ry Lanitra mangina mpitsinjo fo fanahy
Antsoiko ianao hitantana 'lay tokana nekeko
Esory tao anatiny ireo fonjan'ny ahiahy
Fa feno sotasota raha ny tany diavina eto.
Ampianaro izy hahay hamindra amin'ny lalana mahitsy
Tariho amin'ny faharetana sy fahendrena koa
Tafio ny herinao tsy ho kivy mihitsy mihitsy
Raha azonao atao dia omeo fiadanam-po
Tsy ho azon -tebiteby fa ho tony sy hatoky
Handeha an-kasahiana hanenjika ny tanjony
Mba hazavao ny diany raha sendra mitsilopy
Ary ho am-pelatananao ireo sisa tombon'androny.
*Salamo=tononkira sy vavaka.
Mahalia♥️✨
12052025
--------
Rohy:
Mpakafy:
Djess
