SOMBINIAINA (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)
Ekeko sombiniana fa betsaka ny banga raha ny misy no jerena !!!
Ka maloka tsy satry 'lay faravodilanitrin'ny fahasambarabao.
Nanao izay hany fantatro aho fa mba te ho nahaleo tena;
tsy te hiankin-doha,dia io nanara-po tamin'izao rehetra izao...

Namadika ny bainga,nihaza sy niremby tamin'ny alin'ny anjoria
Namorom-paradisa ho an'ny tena samireriko dia revo nankafy...
(Izay noheveriko fa mety)

Mandatsa ny eritreritro mahita anao ankehitriny
Miaina am-pifaliana...mitony tsy manahy
He!!! izato izy e...tsy akory manan-tsiny
Kanefa miombon-dratra amin'ny foko sy fanahy
(...)

Ekeko sombiniaina fa betsaka ny lesoka f'hodiako tsy jerena
Saingy miezaka aho mihatrana miady ho an'ialahy
Tsy maintsy ialahy tafitako na aza hamoizako aina
''Tsy izay mafy mantsy no mandresy f'izay miatrika sy sahy''

Mahalia❤✨
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Fiainana - Fitiavana
107 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 19/07/2024 17:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1655