TOKY TSY MIOVA (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKY TSY MIOVA

Ary amin'izany andro izany
Raha mby migadona ny ora hianjeràko
sy handaozako mora ny tany
ka hody vovoka...E ny rako
Ny foko mbola hitia anao ihany

Eny hatrany ankoatra any
ny Aveloko mbola hitadidy
ireo nofy nifanakalozana
ary koa hitahiry ireo didy
sy ireo voady izay nifamatorana

Koa aoka ianao tsy hanjoretra
na hilofika anaty toloko
tsarovy fa ny eto voafetra
na ny nofo aza mbola hiofo

Ka ny soratro sisa mitoetra,
(no) venteso raha manina ianao
Hampitony ny fonao rehefa
tataovan-draho-mainty ohatr'izao

Mahalia❤✨
--------
Rohy:
426 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 22/09/2023 00:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138