Loko maintin ny fitiavany (mahorani)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOKO MAINTIN NY FITIAVANY

Raha toa ianao tsy mety mino;
Anontanio izy ka hamaly:
Am-pahatsorana: holazainy!
Fa sarotra ny manadino,
Ny tsio-drivotry ny omaly
Manento ny ady nozakainy.

Ny lokon'ny eo an-tokontaniny,
Sy ny vavahady miditra iny:
Efa hainy tsianjery!
Noho ny ora maro laniny;
Niandrasany ny tiany:
Teo am-baravarankeliny!

Ny fidoboky ny fo,
Mararirary manantena:
Tsy sarotra aminy hofantarina!
F'efa tsapany avokoa,
Ny levilevin'ny hangolena
Satria tena tia marina!

Taona firy sy impiry:
No nasosany hielina,
Tsy nekeny hanisa ny ainy?
Fa alahelo sy hirifiry,
Eny, tomany no miverina:
Anaty vetso mba hirainy!

Raha toa ianao tsy mahalala,
Ka maniry mba hahafantatra,
Ny fitiavana sy ny andro-malony!
Minoa ahy; fa hainy tsara,
Ary tena hainy fatratra:
Izany tia fa tsisy valiny!

Saingy aza omenao tsiny:
Raha iforetany eny ihany,
Ny tsy hanova ny fitàna!
Satria tiany iny olona iny;
Ary izy tsy afaka haminany!
Ny tiany ho feno hadalana!

Tsy nampoiziny satria;
Raha izay vavaka nakariny;
Any anatin'ny sainy any,
Dia toy ireo rehetra tia;
Mba ho ao an-tokantranony:
Ny hafaliana hatrany hatrany!

Aza enjehinao ny fony;
Aza bedesinao ny sainy:
Raha mbola miandry eo ihany!
Fa ny tsy hahatsiaro intsony;
Sady tsy vatrany no tsy hainy:
Indrindra izany hamoy izany!!!

Izy aza tsy mba savolaina,
Sady miandry no efa namela
Ny adalan'ilay malalany!
Miandrandra ilay maraina;
Hitondra zy hody tsy ho ela;
Hitsidika eo am-baravarany!

Izaho raha mba nanontany;
Dia izao no teny tokana:
Raha nisokatra ny vavany:
Alahelo sy tomany;
Saingy misy fo miontana:
Izay no lokon'ny fitiavany!!!!!!!!!!!!!!!


Mahorani

Voasoratra ny 05-05-05 (21h20mn)
Nozaraina ny namana ny 01-07-05
--------
Rohy:
1441 2
Mpakafy: emmy - mitsoa
Hevitra mandeha
Malalason ( 02/07/2005 07:40)
mandratra fo
hasiniony ( 02/07/2005 11:31)
Noho ianao POETA dia misy foana ny hetaheta ! Mazotoa.
sejianis ( 04/07/2005 11:58)
Malalason
Miala tsiny raha nadratra ny fonao!
Tsy satriko izany kanefa dia izao
Raha inay ianao ka miaina izany koa
Mety ho maratra, tena marina tokoa!
Sejianis
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mahorani
Nampiditra : sejianis
Daty : 01/07/2005 13:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144