MILA SETRINY ANY (MAMPANDRINIAINA Manitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILA SETRINY ANY.

rehefa takatrao ny ambadika fonosin'izao soratro eto izao.
Ny tananao haingao.
Dia manorata koa
ka soraty tsy ho takatry ny ankoatrantsika roa.

Izay valim-betsoko any.
Raha tsy azo tanterahina ny nofiko androany.
Dia ataovy ho lohateniny hoe: "fo iray tomany".

Raha mifanindran-dalana fitia magina kosa.
Omeo lohateny hoe : fo mitanjozotra.
Dia izaho sy ianao hitambatra sy hiaraka hihoatra.

Mantsy ianao efa azy ary izao koa efa an'olona.
Raha mety ny lalao,
Dia hiaraka hikonona
Nahandro iray ivelany sy hasambaram-bao.

R'ilay anoratako eto.
Miandry izay ho valin'ny fanahinao mitepo,
mamaly ny hafatro aho.
Rehef' hoy ianao hoe tsia.

Dia hereziko ny dia.
Ka ho ataoko sanatria
Ny mbola hanindroany.
Ferako tsy hanoratra ho anao intsony intsony.

Ny peniko manaraka.

MAMPANDRY NY AINA Manitra
19-01-17
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
924 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAMPANDRINIAINA Manitra
Nampiditra : mampandrynyaina
Daty : 21/12/2017 14:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096