TELOMIOVA - MAMPANDRINIAINA Manitra
Azo vakiana?
"RARINY" ianao dia takonana.
Niniana fisahana mihitsy.
Alevina anaty tokonana
Mba tsy ho hitan' ny be noho ny vitsy.
"MARINA" ianao ka narendrika
An-tsapanan' i fasan'ny moana.
Afo hono ka tsy manendrika
Hokobonin' ny vanim-potoana.
"HITSINY" dia nomelohana
Ao anaty valonan' ny rasa.
Saronana anaty forohana
Any ankoatran' ny hoavy efa lasa.
Mampandry Ny Aina Manitra
Sokajy :
Soatoavina
Mombamomba
Mpanoratra : MAMPANDRINIAINA Manitra

Nampiditra : mampandrynyaina
Daty : 21/12/2017
Mpamangy : 798
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY SORATRA FANAHYRIANKALO
NOELIM-PAMONJENA
MILA SETRINY ANY