NY SORATRA FANAHY - MAMPANDRINIAINA Manitra
NY SORATRA FANAHY
Hanoratra aho dia inona
No azoko vetsoina amin'izao minitra izao?
Manko ilay ianao
Fanahy mpanainga retsika
Tsy tonga izay matetika
Kanefa raha ny soratra tsy manana fanahy
Moa dia hitoetra va?
Ho lasa vetivety
Fa tsy afaka hitety
Ny ampitsonao akory.
Sarisary moana sy soratra matory.
Matory ambavahaona
Soratra sy sary sy hira babangoana.
Satria ny tena soratra?
Dia ilay manan'ohatra
Amin' ny anatra omeny
Ilay soratra mitaiza rehefa mba miteny.
Ary koa ilay tena...
Miraki-pahendrena
Ny ambadika fonosiny.
Manala rarintsaina mitondra filaminana raha ny rotsirotsiny.
Tsy mahasoratra aho!
Fa lavitra ny tetoko ilay namana fanahy!
MAMPANDRINIAINA Manitra
Mombamomba
Mpanoratra : MAMPANDRINIAINA Manitra

Nampiditra : mampandrynyaina
Daty : 20/01/2021
Mpamangy : 455
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RIANKALONOELIM-PAMONJENA
MILA SETRINY ANY
TELOMIOVA