You are here: home > Vetso

Ankalazaiko - Mampikanto

ANKALAZAIKO,

Ankalazaiko ihany na dia tsy ho fantatrao
Ankalazaiko miafina ilay fitiavako anao
Ankalazaiko irery eto an-tany fandalovana
Ilay foko tia anao feno raiki-tsarim-pahatsiarovana


Ankalazaiko tokoa satria efa taona maro izay
Ankalazaiko ao anaty fahanginana indray
Ankalazaiko toy ireo taona maro ifandimby
Ilay foko mbola nitahiry ireo raiki-tsarobidy


Ankalazaiko ihany ity andro anio ity
Ankalazaiko tsara satria izaho anie mbola tia
Ankalazaiko makotrokotroka amin’ny foko manontolo
Ilay andron’ny mpifankatia mba tsy ho bobongolo



Mampikanto 110205 à 17h51

Sokajy : FITIAVANA, fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Mampikanto

Nampiditra : mampikanto
Daty : 11/02/2005
Mpamangy : 891
Mankafy : 2
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

TSY FANTATRAO!!!
ANY IANAO
FANTATRO!!!
Antso!
Serasera
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !

Hevitra mandeha

Miarantsoa (15/02/2005 16:36:27)

Ny ahy ry Mampikanto aleoko mankalaza ny Ray be Fitiavana !
Mahita fitoniana amin' ny fiaianako rehetra aho !

andriary (21/02/2005 15:33:47)

Ankalazaiko ny rantsa-tananao
Nanezaka nanoratra
Ny tiako amboraka

Ankalazaiko koa, ny ventsonao mangina
Sahy naminany
Ny any anatiko any

Ankalazaiko marina,ny tonokalonao
Ankafiziko mangina
Na oviana na oviana

Raha mba izaho no nomeny...
Raha mba ny tantarako
No nataony lohateny
Dia ...izy no anjarako

mankalaza ry mampikanto a!
faniriana fotsiny any anaty any ny ahy an!!!!!!!!!!

mampikanto21 (18/12/2007 13:12:10)

Andriary a1 misaotra indrindra e

mimi84 (11/02/2010 15:36:23)

.......
Ankalazaiko makotrokotroka amin’ny foko manontolo
Ilay andron’ny mpifankatia mba tsy ho bobongolo

Tsara be io tononkalo io an!sady efa akaiky ny andron'ny mpifankatia ee!

Tohizo hatrany ny talenta anananao!

Hametraka hevitra

Midira aloha