You are here: home > Vetso

Ny asa soratrao - Mampikanto

Azo vakiana?

NY ASA SORATRAO

Ilay asa soratrao, toa nanaitra zany masoko!
Mampanonjanonja ny fanahy, toa manainga ny toloko,
Tsy nampoiziko akory, hay ianao nitia nangina
Ilay olona tsy fantatra mbola eo an-tanim-piadiana!

Ilay asa soratrao toa mandrotsirotsy ny tsiahy
Irony lasako rehetra, toa mandrotindrotika fanahy
Nefa toa mitady hosarangotina amin-java misitery
Izato fanalahidy anefa indrisy fa dia very!

Ilay asa soratrao, toa mampandefa  eritreritra lalina
Ny ao anatiko ao mantsy, tsy mbola haiko hofantarina
Ka eto am-pamaranana dia tsotra ihany no teniko
Aza kivy, mahereza indro hamangy anao ny diam-peniko!

Mampikanto
240105 13h45

Hevitra mandeha

andriary (27/01/2005 15:45:03)

Ela ny ela ka nipoitra ny andrarezina...ity mpanoratra ity no isan'ny mpialoha lalana tamin'ity serasera an-tonokalo.elaela tsy hita tao fa...(raha te-hahafantatra azy ianareo ry mpamaky dia jereo ny mombamomba azy ato amin'ny tonokalo ato...).Akanga mandalo vorombola zahay ry mampikanto a!...mipoa-tsatroka manoloana ny fihetseham-ponao!ataovy be dia be eeeeeeee!
andriary

NyKanto (27/01/2005 15:47:14)

Tohizo fa tsara ary mankahery anao hatrany.
Ny Kanto

vetsoko (27/01/2005 16:28:18)

tohizo hatrany moa le asa soratra e!

chipie1 (28/01/2005 19:06:46)

mafinaritra tsara!

mampikanto (01/02/2005 08:46:05)

Andriary, Nykanto,Vetsoko,Chipie1 :
Ho anareo rehetra, mankasitraka indrindra anareo nampahery ahy hatrany eo @ andran'asa soratra ataoko e! Mankatelina anareo indrindra koa nitsidika tato @ seraseran-tonokalo.
Hiezaka hatrany ary aho ny hanoratra e! Misaotra indrindra e!

Mampikanto tia be anareo rehetra!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Mampikanto

Nampiditra : mampikanto
Daty : 27/01/2005
Mpamangy : 1182
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

TSY FANTATRAO!!!
ANY IANAO
FANTATRO!!!
Antso!
Serasera
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !