You are here: home > Vetso

Tsy hita - Mampikanto

Azo vakiana?

TSY HITA

Any ambadiky ny tsy hita
Ao izy fa tsy tazana
No misy ilay malalako
No misy ilay tsy foiko


Tsy hitako, nefa…. Toa lalaiko
Tsy tazako ianao, nefa …. Toa iriako
Lalaiko mba ho namako
Iriako sa ho giaziko ho fananako!


Ny hakantonao ry aiko
Toa tsy afaka ato an-tsaiko
Ilay endrikao maranidranitra  manify
No voafinatsiky ny foko iky!

Ny feonao  indray toa milantolanto
Toa mambabo izany foko
Ny fankafizanao ny kanto
Mampisinda ny tolokoko


Oay! Rediredy  miaro hadalana kay ny ahy!
Hay izaho tsy mahalala fa tsy fantatrao akory
Mahavalabalaka fanahy!
Mila tsy ahitako tory!


Mampikanto 20/10/03 16h13

Sokajy : Fitiavana, namana, namana

Hevitra mandeha

andriary (21/10/2004 13:11:32)

Angamba tsy rediredy miaro hadalana na dia tsy fantatrao akory fa mahita tory soa aman-tsara!satria efa tia na dia tsy hita dia....
Tiako ny aigam-panahinao!!!

mampikanto (21/10/2004 15:33:15)

Mankasitraka tompoko!

Mampikanto

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Mampikanto

Nampiditra : mampikanto
Daty : 21/10/2004
Mpamangy : 937
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

TSY FANTATRAO!!!
ANY IANAO
FANTATRO!!!
Antso!
Serasera
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !